Fiteny merina

Sarin-tany maneho ny faritra misy ireo fitenim-paritra eto Madagasikara

Ny fiteny merina dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina any amin' ny faritra misy ny Merina: ao afovoan' i Madagasikara, eo amin' ny faritra Analamaga sy ny manodidina, eo amin' ny tampon-kavoana voafaritry ny tanin' i Vonizongo ao avaratra, ny tendrombohitr' Ankaratra ao atsimo, ny reniranon' i Sakay ao andrefana, ary ny tandavan-tendrombohitr' Angavo ao atsinanana. Mifototra amin' ny fiteny merina ny fiteny malagasy ôfisialy. Anisan' ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany ao amin' ny sokajin' ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana izy.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search